Nehemiah 7:65 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nilaza ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray mitondra ny Orima sy Tomima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary noraran’ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan’izay mpisorona hanontany amin’Andriamanitra, amin’ny Orima sy ny Tomima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’i Orîma sy Tomîma.
Malagasy Bible 1865
Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nilaza ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray mitondra ny Orima sy Tomima*.
malagasy
Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.