Nehemiah 7:69 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora dia nanome drakma volamena arivo sy lovia famafazana dimampolo sy fanamian’ny mpisorona telopolo sy dimanjato ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
rameva 435, ary ampondra 6.720.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy loham-pianakaviana sasantsasany nanao fanomezana ho an’ny asa fanorenana ny tempoly. Ny governora nanome volamena valo kilao sy lovia famafazana dimampolo ary fanamiam-pisoronana telopolo ho an’ny rakitry ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora dia nanome drakma* volamena arivo sy lovia famafazana dimampolo sy fanamian’ny mpisorona telopolo sy dimanjato ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa.
malagasy
ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.