Nehemiah 7:70 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana indray dia nanome drakma volamena roa alina sy volafotsy roanjato sy roa arivo mane ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanao fanomezana, hanaovana ny asa. Ny governora nanome darìka volamena 1.000, kopy 50, akanjom-pisoronana 530, hatao amin’ny rakitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanomezan’ireo loham-pianakaviana dia volamena 168 kilao sy volafotsy 1 100 kilao ho an’ny rakitra hanaovana ny asa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany tamin'ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin'ny rakitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana indray dia nanome drakma volamena roa alina sy volafotsy roanjato sy roa arivo mane* ho kojakoja ho amin’ny hanaovana ny asa.
malagasy