Nehemiah 7:72 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira sy ny sasany amin’ny vahoaka ary ny Netinima, mbamin’ny Israely rehetra. Ary rehefa tonga ny volana fahafito dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vahoaka sisa kosa nanome darìka volamena 20.000, mina volafotsy 2.000, ary akanjom-pisoronana 67.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Samy nipetraka teny amin’ny tanànany avy ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpanampy levita, ary ny Israelita hafa rehetra.» Nony tonga ny volana fahafito, ireo vahoaka israelita, rehetra, izay efa samy tafapetraka teny amin’ny tanànany avy,
Malagasy Bible 1865
Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira sy ny sasany amin’ny vahoaka ary ny Netinima, mbamin’ny Israely rehetra. Ary rehefa tonga ny volana fahafito dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary izay nomen'ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin'ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.