Nehemiah 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivory tahaka ny olona iray ho eo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izy rehetra; ary niteny tamin’i Ezra mpanoradalàna izy mba hoentiny ny bokin’ny lalànan’i Mosesy izay nandidian’NY TOMPO ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’i Iaveh an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nivory toy ny olona iray ihany; teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano no nivoriany tamin’ny andro voalohan’io volana io. Nasain’ny vahoaka nalain’i Hezrà mpahay Lalàna ny bokin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nandidian’ny TOMPO an’ireo Israelita. Dia nentin’i Hezrà mpisorona izany ho eo anatrehan’ny Fiangonana izay nahitana ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza rehetra efa mahahaino.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivory tahaka ny olona iray ho eo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izy rehetra; ary niteny tamin’i Ezra mpanoradalàna izy mba hoentiny ny bokin’ny lalànan’i Mosesy izay nandidian’NY TOMPO ny Israely.
malagasy