Nehemiah 8:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hilaza hoe: Mandehana any an-tendrombohitra ka makà sampan’oliva tsotra, sampan’oliva maniry ho azy, sampana mirta sy sampana palma ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka ny voasoratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy tsy maintsy manao fiantsoana ampahibemaso eo amin’ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: «Mankanesa any an-tendrombohitra ianareo dia mitondrà sampan’ôliva, sampan’ôliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany fankalazana izany koa dia tokony hampandrenesina ny olona ka hanaovana antso avo mitety an’i Jerosalema sy ny tanàna rehetra: hasaina mandeha any an-tendrombohitra ny olona haka sampan’ôliva volena na maniry ho azy, sampan-drotra, sampan-drofia, ary sampan-kazo be ravina mba hanaovana tranotomboka.
Malagasy Bible 1865
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan'oliva sy sampan'oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hilaza hoe: Mandehana any an-tendrombohitra ka makà sampan’oliva tsotra, sampan’oliva maniry ho azy, sampana mirta sy sampana palma ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka ny voasoratra.
malagasy