Nehemiah 8:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha ny olona ka naka ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ny tokotaniny avy ary teo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra sy teo amin’ny toerana malalaka teo akaikin’ny vavahadin-drano ary teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny vavahadin’i Efraima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha nankany ny olona, ka nitondra, ary samy nanao tranolay avy izy ireo teny ambony tafon-tranony, teny an-tokotaniny, teny amin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra, teo amin’ny kianjan’ny vavahadin’i Efraima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha naka rantsan-kazo ny Israelita ka samy nanao tranotomboka ho azy teo an-tampon-tranony na teo an-tokotaniny na teo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitra na teo an-kalalahana akaikin’ny Vavahadin’ny Rano, na teo an-kalalahana akaikin’ny Vavahadin’i Efraîma.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha ny olona ka naka ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ny tampon-tranony* avy sy teo anatin’ny tokotaniny avy ary teo anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitra sy teo amin’ny toerana malalaka teo akaikin’ny vavahadin-drano ary teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny vavahadin’i Efraima.
malagasy
Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin'ny tampon-tranony avy sy teo anatin'ny tokotaniny avy sy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin'ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'i Efraima.