Nehemiah 8:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana manontolo izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’Israely hatramin’ny andron’i Josoa, zanak’i Nona, ka hatramin’izany andro izany. Dia nisy fifaliana lehibe tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy nanao trano lay sy nipetraka tao anatin’ny trano lay avokoa ny fiangonan’izay niverina avy any amin’ny fahababoana. Tsy mbola nahavita zavatra hoatra izany ny zanak’i Israely, hatramin’ny andron’i Jôsoe zanak’i Nona ka hatramin’io andro io. Ka nisy fifaliana lehibe indrindra tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, nanao tranotomboka sy nipetraka tao anatiny avokoa ny Fiangonana tsivakivolo, dia ireo olona tafaverina avy any an-tsesitany. Ary nisy fifaliana lehibe tokoa tamin’izany, satria tsy mbola nanao toy izany ny Israelita hatramin’ny andron’i Jesoa no mankatỳ.
Malagasy Bible 1865
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana manontolo izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’Israely hatramin’ny andron’i Josoa, zanak’i Nona, ka hatramin’izany andro izany. Dia nisy fifaliana lehibe tokoa.
malagasy
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak'Isiraely hatramin'ny andron'i Josoa, zanak'i Nona, ka hatramin'izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.