Nehemiah 8:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra isanandro isanandro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fivorian-dehibe araka ny fanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’andro isan’andro, hatreo amin’ny andro voalohan’io fankalazana io ka hatrany amin’ny andro farany, dia novakîna ny teny tao amin’ny boky mirakitra ny lalànan’Andriamanitra. Naharitra fito andro ny fety; ary tamin’ny andro fahavalo dia nisy fanompoam-pivavahana famaranana nivorian’ny vahoaka, araka ny fanao.
Malagasy Bible 1865
Ary namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra isan'andro isan'andro izy hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin'ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra isanandro isanandro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fivorian-dehibe araka ny fanao.
malagasy