Nehemiah 8:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana izay efa natao ho amin’izany i Ezra mpanoradalàna; nitsangana teo anilany havanana i Matitia, i Sema, i Anaia, i Oria, i Hilkia ary i Mahaseia; teo anilany havia kosa i Pedaia, i Misaela, i Malkia, i Hasoma, i Hasbadana, i Zakaria ary i Mesolama.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao ankavanany, i Matatiasa, i Semeiàsa, i Aniasa, i Oria, i Helkiasa, i Maasiasa; teo ankaviany, i Fadaiasa, i Mesaela, i Melkiasa, i Hasoma, i Hasbadanà, i Zakaria, i Mosolama.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo ambony lampihazo vao narafitra ho an’io fotoana io no nitsanganan’i Hezrà mpahay lalàna. Ary nitsangana teo anilany ankavanana ry i Matitià sy i Sema, i Hanaià sy i Orià ary i Hilkià sy i Mahaseià; teo ankaviany kosa ry i Pedaià sy i Misaela, i Malkià sy i Hasoma, i Hasbadanà sy i Zakarià ary i Mesolama.
Malagasy Bible 1865
Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana izay efa natao ho amin’izany i Ezra mpanoradalàna; nitsangana teo anilany havanana i Matitia, i Sema, i Anaia, i Oria, i Hilkia ary i Mahaseia; teo anilany havia kosa i Pedaia, i Misaela, i Malkia, i Hasoma, i Hasbadana, i Zakaria ary i Mesolama.
malagasy