Nehemiah 8:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitra lehibe i Ezra; ary nanandra-tanana ny olona rehetra ka namaly hoe: Amena, Amena! Dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisaotra an’i Iaveh Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: «Amen, Amen!» Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: « Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitra lehibe i Ezra; ary nanandra-tanana ny olona rehetra ka namaly hoe: Amena*, Amena! Dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Ary Ezra nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah.