Nehemiah 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niteny tamin’ny olona rehetra i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona, mpanoradalàna, ary ny levita izay nampianatra ny olona hoe: Masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ny lalàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin’ny Levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Andro masina ho an’i Iaveh Andriamanitrareo ity ka aza asiana fisaonana na ranomaso.» Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin’ny lalàna. Noho izany i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin’izy rehetra hoe: –Voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!
Malagasy Bible 1865
Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin'ny olona rehetra hoe: Masina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin'ny lalàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niteny tamin’ny olona rehetra i Nehemia governora sy i Ezra mpisorona, mpanoradalàna, ary ny levita izay nampianatra ny olona hoe: Masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ny lalàna.
malagasy