Nehemiah 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ny olona rehetra tany amin’ny taniny; satria fantatrao fa nirehareha taminy ireo dia nanao anarana ho Anao Ianao tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao famantarana amam-pahagagana namely an’i Faraôna Ianao sy namely ny mpanompony mbamin’ny vahoakan’ny taniny rehetra, satria hitanao fa tamim-pianjonanjonana no nitondrany ny razanay, ka dia nahazo laza ny Anaranao, araka izay hita mandraka androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao hamelezana ny Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olona rehetra teo amin’ny taniny, satria fantatrao fa nianjonanjona tamin’ny razanay ry zareo. Nahazoanao laza izany tahaka izay hita amin’izao anio izao.
Malagasy Bible 1865
dia nanao famantarana sy fahagagana tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin'ny olona rehetra tany amin'ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ny olona rehetra tany amin’ny taniny; satria fantatrao fa nirehareha taminy ireo dia nanao anarana ho Anao Ianao tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy