Nehemiah 9:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mofo avy tany an-danitra no nomenao azy raha noana izy; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hosotroiny raha nangetaheta izy; nilaza taminy Ianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanana homena azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy any amin’ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.
Malagasy Bible 1865
ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin'ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mofo avy tany an-danitra no nomenao azy raha noana izy; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hosotroiny raha nangetaheta izy; nilaza taminy Ianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanana homena azy izy.
malagasy