Nehemiah 9:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka nikomy sady izay nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ny fahandevozany; kanefa Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo ka tsy nahafoy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nandà tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindra fo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.
Malagasy Bible 1865
ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin'ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka nikomy sady izay nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ny fahandevozany; kanefa Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo ka tsy nahafoy azy.
malagasy