Nehemiah 9:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, nanao ilay ombilahy kely voarendrika izy ka nilaza hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, dia nampahasosotra Anao indrindra izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na dia tamin’izy nanao zanak’omby anidina aza, sy nilaza hoe: Ity no andriamanitro, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta ka rafitra nanevateva Anao izaitsizy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny nanaovany ombilahikely anidina sy nilazany hoe: «Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta!», dia notevatevainy tokoa Ianao;
Malagasy Bible 1865
Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, nanao ilay ombilahy kely voarendrika izy ka nilaza hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, dia nampahasosotra Anao indrindra izy;
malagasy
Eny, nanao ilay ombilahy kely an-idina izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao izay nitondra anao hiakatra avy tany Egypta, dia nampahasosotra indrindra izy;