Nehemiah 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
kanefa noho ny haben’ny famindramponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-tany efitra Ianao; ny andry rahona izay nitondra azy teny an-dalana dia tsy niala taminy raha antoandro, toy izany koa ny andry afo izay nampahazava azy nony alina dia hahitany izay lalana tokony halehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,
Malagasy Bible 1865
kanefa noho ny haben'ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
kanefa noho ny haben’ny famindramponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-tany efitra Ianao; ny andry rahona izay nitondra azy teny an-dalana dia tsy niala taminy raha antoandro, toy izany koa ny andry afo izay nampahazava azy nony alina dia hahitany izay lalana tokony halehany.
malagasy