Nehemiah 9:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny mananao tsy hohaniny Ianao sady nanome azy rano raha nangetaheta izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nomenao ny fanahinao tsara izy hahatonga azy ho malina; tsy nolavinao tsy hohanin’ny vavany ny mananao, ary namonona rano hanala hetaheta azy Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny mananao tsy hohaniny Ianao sady nanome azy rano raha nangetaheta izy;
malagasy
Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin'ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;