Nehemiah 9:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny hanaovany azy araka ny sitrapony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin’ny tany, dia ny Kananeanina, sy natolotrao ho eo an-tanany mbamin’ny mpanjaka sy ny vahoakan’ny tany, hataony amin’izay itiavany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.
Malagasy Bible 1865
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin'ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ny mpanjakany sy ny vahoakan’ny fireneny hanaovany azy araka ny sitrapony.
malagasy