Nehemiah 9:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno ny zava-tsoa tsy hita isa sy lavaka famorian-drano voahady ary tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ny fahatsaranao lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afany ny tanàna mimanda, azony ny tany lonaka, ary nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany izy, lavaka famorian-drano efa voahady, voaloboka sy ôliva mbamin’ny hazo fihinam-boa ankabetsahana. Ary nihinana izy ka voky, dia nihamatavy ary nanaram-po tamin’ny zavatra mahafaly, noho ny hatsaram-ponao lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy; nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany, lavaka famorian-drano voahady, tany voavoly voaloboka sy ôliva, ary tany misy hazo fihinam-boa marobe. Noho ny hatsaramponao lehibe, dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka faly nanaram-po.
Malagasy Bible 1865
Ary nahazo tanana mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno zava-tsoa rehetra sy lavaka famorian-drano voahady sy tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy ary trano feno ny zava-tsoa tsy hita isa sy lavaka famorian-drano voahady ary tany voavoly voaloboka sy oliva ary hazo fihinam-boa betsaka; dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka nifalifaly tamin’ny fahatsaranao lehibe.
malagasy