Nehemiah 9:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa nandà izy sady nikomy Taminao ary nanary ny lalànanao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho Aminao ka nanao izay nahasosotra Anao indrindra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.
Malagasy Bible 1865
Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa nandà izy sady nikomy Taminao ary nanary ny lalànanao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho Aminao ka nanao izay nahasosotra Anao indrindra izy.
malagasy
Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.