Nehemiah 9:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa dia natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy; kanefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina Taminao izy ka nihaino azy tany an-danitra Ianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia nafoinao izy, ho eo an-tanin’ireo mpampahory izay nampahory azy. Tamin’ny andron’ny fahoriany anefa nitaraina taminao izy, dia nihaino azy Ianao any an-danitra, ary nentin’ny famindram-ponao lehibe dia nanome mpamonjy izay nanafaka azy teo an-tanan’ireo mpampahory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natolotrao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nampahory azy. Nefa, tamin’ny andro fahoriany, dia nitaraina taminao izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary satria be fiantra Ianao dia nomenao mpamonjy hatrany izy hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony.
Malagasy Bible 1865
Koa dia natolotrao ho eo an-tànan'ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin'ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben'ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa dia natolotrao ho eo an-tanan’ny fahavalony izay nampahory azy izy; kanefa tamin’ny andro fahoriany dia nitaraina Taminao izy ka nihaino azy tany an-danitra Ianao, ary araka ny haben’ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy ka namonjy azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ireo.
malagasy