Nehemiah 9:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo rehefa niadana izy dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony indray koa izy ka ireny no nifehy azy; dia nitaraina taminao indray izy ary nihaino azy tany an-danitra Ianao ka namonjy azy matetika araka ny haben’ny fiantranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony niadana hatreo izy, dia nanao ratsy eo anatrehanao indray, ka nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony, sy tonga tapahin’ireny. Fa nitaraina taminao indray izy, ka nihaino azy Ianao any an-danitra, sy nanafaka azy matetika noho ny famindram-ponao lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; ary nafoinao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nanjakazaka taminy. Dia nitaraina taminao indray izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary novonjenao imbetsaka izy satria be fiantra Ianao.
Malagasy Bible 1865
Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan'ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben'ny fiantranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo rehefa niadana izy dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony indray koa izy ka ireny no nifehy azy; dia nitaraina taminao indray izy ary nihaino azy tany an-danitra Ianao ka namonjy azy matetika araka ny haben’ny fiantranao.
malagasy