Nehemiah 9:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nananatra azy mafy Ianao hampiverenanao azy ho amin’ny lalànanao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao; kanefa mahavelona ny olona mankatò azy izany; nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony izy ary tsy nety nihaino.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanarinao mafy izy hiverina amin’ny lalànao; nefa mbola niavonavona ihany, ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao izay mahavelona ny olona manatanteraka azy. Naneho ditra sy nanamafy ny hatony izy, ary tsy nety nihaino Anao.
Malagasy Bible 1865
Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin'ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nananatra azy mafy Ianao hampiverenanao azy ho amin’ny lalànanao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao; kanefa mahavelona ny olona mankatò azy izany; nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony izy ary tsy nety nihaino.
malagasy