Nehemiah 9:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao, ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao, no noentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena.
Malagasy Bible 1865
Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin'ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan'ny firenena amin'ny tany hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa nandefitra nandritra ny taona maro taminy Ianao, ary ny Fanahinao, izay tao amin’ny mpaminaninao, no noentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, dia natolotrao ho eo an-tanan’ny firenena amin’ny tany hafa.
malagasy