Nehemiah 9:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpitondra anay, ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria, ka mandrak’izao anio izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao, ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao. Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay, ny mpisoronay sy mpaminaninay, ary ny razanay mbamin’ny tenanay, manomboka tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandrak’izao andro anio izao!
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asyria ka mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpitondra anay, ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandraka androany.
malagasy