Nehemiah 9:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay, mbamin’ny mpisorona sy ny razanay, dia samy tsy nankatò ny lalànanao, samy tsy nihaino ny didinao sy ny teny vavolombelonao izay nananaranao azy mafy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nanaraka ny lalànao, ka tsy nasiany raharaha ny didinao sy ny teny niampanganao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjakanay sy mpanapaka anay ary ny mpisoronay sy ny razanay dia samy tsy nanatanteraka ny lalànao, ary tsy niraharaha ny didinao sy ny fananarana nataonao taminy.
Malagasy Bible 1865
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay, mbamin’ny mpisorona sy ny razanay, dia samy tsy nankatò ny lalànanao, samy tsy nihaino ny didinao sy ny teny vavolombelonao izay nananaranao azy mafy.
malagasy
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.