Nehemiah 9:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao, ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa indro, andevo izahay izao! Indreto izahay andevo eto amin’ny tany nomenao ny razanay indrindra, hihinanany ny vokatra sy hiaranany amin’ny soa avy aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny dia indreto andevozina izahay eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, indreto, andevo izahay izao, ary eto amin’ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;
malagasy
Koa, indreto, andevo izahay izao, ary ny amin'ny tany izay nomenao ny razanay hihinanany ny vokatra sy ny soa avy aminy, indreto, andevo eto izahay;ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.