Nehemiah 9:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mahavokatra be izy, kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hitondra anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, mifehy ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy ka azom-pahoriana mafy izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny vokatra be avy aminy dia ho an’ny mpanjaka notendrenao hampanompo anay noho ny fahotanay. Ny tenanay mbamin’ny biby fiompinay koa ataony amin’izay itiavany azy, ka latsaka amin’ny fahoriana mafy izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vokatra marobe tokoa no aterak’ity tany ity kanefa lasan’ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay; eny, manapaka ny tenanay sy biby fiompinay araka izay itiavany azy izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay!
Malagasy Bible 1865
ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mahavokatra be izy, kanefa ho an’ireo mpanjaka izay notendrenao hitondra anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, mifehy ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy ka azom-pahoriana mafy izahay.
malagasy