Nehemiah 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny levita, dia i Josoa, i Kadmiela, i Bany, i Hasabnia, i Serebia, i Hodia, i Sebania ary i Petahia: Mitsangàna ka misaora NY TOMPO Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Isaorana anie ny anaranao malaza izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay! «Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe: –Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay! «Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin'ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny levita, dia i Josoa, i Kadmiela, i Bany, i Hasabnia, i Serebia, i Hodia, i Sebania ary i Petahia: Mitsangàna ka misaora NY TOMPO Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Isaorana anie ny anaranao malaza izay voasandratra ambonin’ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
malagasy