Nehemiah 9:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa Ianao irery, dia Ianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy. Ianao no manome aina an’izany rehetra izany; ary mitsaoka Anao ny tafiky ny lanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny habakabaka midadasika mbamin’ny kintana rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Ianao no mamelona ny voaary rehetra, ka iankohofan’ny tafiky ny lanitra.
Malagasy Bible 1865
Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin'izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao dia Ianao irery ihany no TOMPO; Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ny kintany rehetra, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ianao no mamelona azy rehetra; ary ireo marobe any an-danitra dia samy miankohoka eo anatrehanao.
malagasy