Nehemiah 9:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary nahita ny fony nahatoky teo anatrehanao Ianao ka nanao ilay fanekena taminy hanome ho an’ny taranany ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa nahatanteraka ny teninao Ianao satria marina Ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao ianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an’ny taranany, ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, ary ny Gergeseanina, ary notanterahinao ny teninao, fa marina Ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fo mahatoky anao no hitanao taminy, ka nanaovanao fanekempihavanana izy fa homenao ho azy sy ho an’ny taranany ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hitita, ary ny Amôrita mbamin’ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa notanterahinao ny teninao, satria marina Ianao.
Malagasy Bible 1865
ary Hianao nahita ny fony fa nahatoky teo anatrehanao, ka dia nanao ilay fanekena taminy hanome ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita ho an'ny taranany; ary efa nahatanteraka ny teninao Hianao, satria marina Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary nahita ny fony nahatoky teo anatrehanao Ianao ka nanao ilay fanekena taminy hanome ho an’ny taranany ny tanin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Jebosita ary ny Girgasita; ary efa nahatanteraka ny teninao Ianao satria marina Ianao.
malagasy