Numbers 1:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia namory ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa. Samy nampanoratra ny firazanany avy izy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ho amin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, ka ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan’olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,
Malagasy Bible 1865
dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia namory ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa. Samy nampanoratra ny firazanany avy izy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
malagasy