Numbers 1:50 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tendreonao ny levita hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy. Izy ireo no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra, ary izy ireo no hanao fanompoana ao; manodidina ny tabernakely no hitobiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.
Malagasy Bible 1865
fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin'ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tendreonao ny levita hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy. Izy ireo no hitondra ny tabernakely* sy ny zavatra rehetra, ary izy ireo no hanao fanompoana ao; manodidina ny tabernakely no hitobiany.
malagasy