Numbers 10:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova trompetra volafotsy roa; voatefy no hanaovanao azy. Ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Manaova trômpetra volafotsy roa; ka ataovy amin’ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Manaova trômpetra volafotsy roa tsara voatefy, izay hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny toby.
Malagasy Bible 1865
Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova trompetra volafotsy roa; voatefy no hanaovanao azy. Ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
malagasy
Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.