Numbers 10:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niainga koa ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Efraima, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Elisama, zanak’i Amihoda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin’i Amioda;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;
Malagasy Bible 1865
Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niainga koa ny fanevan’ny tobin’ny taranak’i Efraima, araka ny antokony; ary ny mpifehy ny antokony dia i Elisama, zanak’i Amihoda.
malagasy
Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony.