Numbers 10:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Mosesy tamin’i Hobaba, zanak’i Regoela ilay Midianita, rafozan’i Mosesy: Izahay izao dia miainga hankany amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO hoe: Homeko anareo izany. Andeha ianao hiaraka aminay dia hasianay soa; fa NY TOMPO efa nilaza soa ny amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Mosesy tamin’i Hôbaba zanakalahin’i Rehoela izay terak’i Midiana sady rafozandahin’i Mosesy: –Mandeha hankany amin’ny tany izay nolazain’ny TOMPO homena anay izahay. Ndeha hiaraka aminay ianao fa homenay anjara amin’ny zava-tsoa nampanantenain’ny TOMPO ho an’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Mosesy tamin’i Hobaba, zanak’i Regoela ilay Midianita, rafozan’i Mosesy: Izahay izao dia miainga hankany amin’ny tany izay nolazain’NY TOMPO hoe: Homeko anareo izany. Andeha ianao hiaraka aminay dia hasianay soa; fa NY TOMPO efa nilaza soa ny amin’ny Israely.
malagasy