Numbers 10:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga avy tany amin’ny tendrombohitry NY TOMPO izy ireo ka nandeha lalan-kateloana; ary ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nandroso nialoha azy lalan-kateloana mba hitady toerana hialan-tsasatra ho an’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala tany an-tendrombohitr’i Iaveh izy ireo dia nandeha lalan-kateloana, ary nandritra izany dia, nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran’ny faneken’i Iaveh nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala tao an-tendrombohitry ny TOMPO ireo Israelita ka nandeha lalana telo andro. Nialoha azy ireo tamin’izany lalana telo andro izany ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO mba hitady izay toerana hahafahan’ny vahoaka mitoby.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona.