Numbers 10:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mitsoka ny fanairana fanindroany ianareo dia hiainga ny toby izay milasy eo atsimo; fanairana no hatao fiaingany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin’ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin’ny fiaingany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha miverina fanindroany ny fitsofana trômpetra arahina hoby, dia izay nitoby teo atsimo no hiainga. Fitsofana trômpetra arahin-koby no mariky ny fiaingana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mitsoka ny fanairana fanindroany ianareo dia hiainga ny toby izay milasy eo atsimo; fanairana no hatao fiaingany.
malagasy
Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.