Numbers 10:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy ady eo amin’ny taninareo ka mandeha hiady amin’ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fanairana ianareo dia hotsarovana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ny fahavalonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha hiantafika hiady amin’ny fahavalo izay mamely eo amin’ny taninareo ianareo, dia hotsofina ny trômpetra sady arahina hoby mba hampahatsiarovanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo hitsimbinako anareo ka hamonjeko anareo ho afaka amin’ny fahavalonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy ady eo amin’ny taninareo ka mandeha hiady amin’ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fanairana ianareo dia hotsarovana eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ny fahavalonareo.
malagasy