Numbers 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO.
malagasy
[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.