Numbers 11:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ren’i Mosesy fa samy nitomany isam-pianakaviany teo am-baravaran’ny lainy avy ny vahoaka. Nirehitra aoka izany ny fahatezeran’ny TOMPO. Ary nalahelo mafy i Mosesy
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany
malagasy
Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.