Numbers 11:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana* izy ireo.
malagasy
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.