Numbers 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
malagasy