Numbers 11:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazao amin’ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina ianareo, fa nitomany ka ren’ny sofin’i Iaveh ianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! Koa homen’i Iaveh hena ianareo, dia hihinananareo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: « Diovy ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: ‹Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta›. Homen’ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo.
Malagasy Bible 1865
Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana.
malagasy