Numbers 11:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka mba hilaza ny tenin’NY TOMPO tamin’ny olona i Mosesy; nanangona fitopolo lahy tamin’ireo loholon’ny firenena izy ka nasainy nijoro manodidina ny tranolay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka i Môizy, ka nilaza ny tenin’i Iaveh tamin’ny vahoaka, ary nanangona 70 lahy tamin’ny loholon’ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisinda kely i Mosesy ka nilaza ny tenin’ny TOMPO tamin’ny vahoaka. Nangoniny avy eo ireo fitopolo lahy tamin’ny loholom-bahoaka, dia napetrany nanodidina ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka mba hilaza ny tenin’NY TOMPO tamin’ny olona i Mosesy; nanangona fitopolo lahy tamin’ireo loholon’ny firenena izy ka nasainy nijoro manodidina ny tranolay.
malagasy
Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.