Numbers 11:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nidina teo amin’ny rahona NY TOMPO ka niteny taminy ary nanalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fitopolo lahy. Raha vao nipetraka tao amin’izy ireo ny Fanahy dia naminany izy ireo nefa tsy nitohy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nidina teny amin’ny rahona i Iaveh dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nidina teo amin’ny rahona ny TOMPO ka niresaka tamin’i Mosesy. Nangalany ny fanahy tamin’i Mosesy ka nanomezany ho an’ny loholona fitopolo lahy. Ary raha vao nipetraka tamin’izy ireo ny fanahy, dia nanomboka naminany izy ireo, nefa tsy notohizany izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nidina teo amin’ny rahona NY TOMPO ka niteny taminy ary nanalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fitopolo lahy. Raha vao nipetraka tao amin’izy ireo ny Fanahy dia naminany izy ireo nefa tsy nitohy izany.
malagasy