Numbers 11:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy rivotra nitsoka, nampandehanin’NY TOMPO, ka nandroaka papelika avy tany amin’ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teo amin’ny toby, koa tokony ho hatrany amin’ny lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy ary tokony ho roa hakiho ambonin’ny tany ny hatevenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy rivotra nifofofofo avy amin’i Iaveh ka nitondra papelika avy any amin’ny ranomasina, sy nandatsaka azy teny amin’ny toby, ka tokony ho lalana indray andro amin’ny lafiny iray manodidina ny toby no nisy azy, ary sahabo ho roa hakiho ambonin’ny tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny TOMPO nampitsoka rivotra mifofofofo avy any an-dranomasina izay nitondra papelika ka nampihahaka ireny teo amin’ny toby. Feno azy avokoa ny manodidina ny toby tokony ho lalana indray andro ary tokony ho iray metatra miala amin’ny tany ny hateviny.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy rivotra nitsoka, nampandehanin’NY TOMPO, ka nandroaka papelika avy tany amin’ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teo amin’ny toby, koa tokony ho hatrany amin’ny lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy ary tokony ho roa hakiho* ambonin’ny tany ny hatevenany.
malagasy
Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.