Numbers 11:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny olona hafa firenena izay nifangaroharo taminy dia azon’ny fitsiriritana, ary nitomany indray ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin’i Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza re no mba hanome hena hohaninay?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy vahiny maro samy hafa fiaviana tafaharo tamin’ny Israelita izay liana te hihinan-kena aoka izany; ary ny Israelita koa dia nanomboka nitaraina indray ka nitomany hoe: «Iza no hanome hena hohaninay?
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny olona hafa firenena izay nifangaroharo taminy dia azon’ny fitsiriritana, ary nitomany indray ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay!
malagasy
Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!