Numbers 11:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia samy nandehandeha ny olona ka nanangona ary nanodina izany tamin’ny fikosoham-bary na nitoto izany tamin’ny laona dia nahandroiny tamin’ny vilany ka nanaovany mofo; ny tsirony indray dia sahala amin’ny tsiron’ny mofo misy diloilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin’ny laona, dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny alina no nilatsaka teo amin’ny toby miaraka amin’ando izy. Amin’ny maraina kosa dia miparitaka manangona azy ny olona; totoina amin’ny vatobe fikosehana na amin’ny laona izany, dia ahandroina amin’ny vilany na atao mofo. Mitovy amin’ny an’ny mofomamy misy menaka ny tsirony.
Malagasy Bible 1865
Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia samy nandehandeha ny olona ka nanangona ary nanodina izany tamin’ny fikosoham-bary na nitoto izany tamin’ny laona dia nahandroiny tamin’ny vilany ka nanaovany mofo; ny tsirony indray dia sahala amin’ny tsiron’ny mofo misy diloilo.
malagasy